Didi Mickaël, club isika tanora, Apokalypsy,pasteur mailhol, blog 2012, rantsana Mpandalina.

Ho anao izay mijery ity Blog ity :
Ato no misy ny diariko, ny tora-po, ny nahafinaritra, ny nahaliana ary ny fotoana nanamarika ny fiainako. Mazotoa mamaky ka "Ny mamy atelomy fa ny mangidy aloavy". Misaotra anao.

mardi 17 septembre 2013

An'ny malalako aho!

Vita indray iny ny vodiondrinay sy chérie ny Alahady 15 Septambra teo.
Tso-drano re zany ka tso-drano, sady izy ireny hono dia zava-mahery an!
Nifandimby nitsodrano anay roa kely ny Ray amandreny roa tonta, fa ny tena tsy zakao, nampirotsaka ny ranomasoko ny nitsofan'i Dada rano anay, noraisiny ilay kopy misy rano dia notsofiny rano teo izahay, avieo nanaraka koa i ney, ranomasom-pifaliana iny, tsy zakan'ny fo.

Misaotra anao aho Andriamanitra fa nomenao vady sahaza ahy aho.Hampiadaniko izy, araka izay tratrako!

Misaotra ry Dada sy Neny fa nalehibe ahy, sy naha toy izao ahy ianareo a! tsy ho voavaliko izao fa ny Tompo hamaly fitia anareo. Toy izay ihany koa Dada sy Nenin'i Sitraka, tiako ianareo fa nomolavola ny vadiko, sy nitaiza azy ianareo, dia nalaiko izy.

Je vous aime tous, que Dieu aime ma vraie famille. Merci.