Efa elabe izaho tsy nanoratra teto. Androany 02/08/18 indray vao manembona de manoratra.
Nifamahofao be izay fiainako izay tsy hitako tantaraina eto. Fa anio, rehefa niala tany @ Group TERRA zah ka niasa tato @ cabinet comptable CAMOI, dia hiala ato indray rehefa niasa telo volana latsaka teo.
Adeha hiasa miaraka @ ireo sovietika hanoana an'i Pasteur Mailhol @ filatsahany ho fidiana ho filoha. Manomboka ny alatsinainy 06 aout izao zah no manomboka.
Manantena aho fa hiova hafa mihintsy ny fiainako manomboka eto. Tsy te hiasa @ orinasa intsony aho fa te hanana ny fidiram-bolako na ny orinasako manokana. Mino aho fa manomboka eto ny kihon-dalana andehanako @ izany sehatra izany.
Anio 02/08/18 à 10: 35 eto @ ordinateur CAMOI tsy misy atao fa dia maminaviana ny ho avy eto.
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire