Vita ihany ila mariage!
Ny alahady teo (13-10-13) dia vita ny mariage-nay sy Sitraka. faly lesy ny foko cherie a, tanteraka ihany ny nofinofitaika e!
Tena anisan'ny fety nihomanako indrindra iny. Folo volana teo no nanomanana azy.
Fa tsy mba nety tezitra izany aho tamin'iny andro iny. Fa na adinon'i Sitraka aza ny flash nisy ny hira ouverture de tsy taitra akory aho niteny tamin'i Zinho hoe: "izay hitanlah fa mety ao lesy alefa a" de " Endles Love" no natao, haaahaahaa..nefa "Number One" no tokny ho izy.
Ny lanonana moa de nandihy foana fa tsy mba nisy olona nihira mintsy, tena tsy ampy ny fotoana e!!!
Ny sakafo moa dia nihinana izay laniny ny rehetra!!!!!
Tiako ny vadiko.
Andriamanitra anie : - Hampaharitra ny fifankatiavanay
- hitahy ny tokatranonay
- hitahy ny taranakay (izay efa endrasana tsy ho ela)
- Hampamirapiratra ny masoandrom-piainanay (Joba 13 : 17)
Amen!
JTM Sitraka