Didi Mickaël, club isika tanora, Apokalypsy,pasteur mailhol, blog 2012, rantsana Mpandalina.

Ho anao izay mijery ity Blog ity :
Ato no misy ny diariko, ny tora-po, ny nahafinaritra, ny nahaliana ary ny fotoana nanamarika ny fiainako. Mazotoa mamaky ka "Ny mamy atelomy fa ny mangidy aloavy". Misaotra anao.

vendredi 6 décembre 2013

NELSON MANDELA

Izy no Nelson Mandela. Maty alina (05- Dec 2013) tany Johannesburg teo amin'ny faha 95 taonany.


Lehilahy fanta-daza manera-tany izy, anisan'ny tsy afaka amin'ny vavan'ny maro izy rehefa miresaka ny momban'ny fanavakavaham-bolo-koditra.
Avy any Afrika Atsimo izy, teraka tamin'ny 18 Juillet 1968 tao Mvezo.

Olona Mainty, niady ny fitovian-jo ho an'ireo mainty sy fotsy izy, ary nitondra azy tany am-ponja nandritry ny 20 taona izany.

Ho anareo taranako, afaka alaintahaka ny tsara vitany. Manàna fo tena TIA ho an'ny tanin-drazana, aza mamita-bahoaka, satria hitantana firenena ianareo. Ataovy ao an-tsaina fa tsy ambany ianareo fa ambony ( ny toe-tsina no tiako ho tenenina).

Ho an'ny Malagasy, ho an'i Madagasikara.