Nandao ny tany ny Alarobia 21 May 2014 i Dadanaivo Bruno na RANDRIANJAFY Bruno. Nentina nalevina tany Ambatolampy Andranovelona ary nalevina ny Zoma 23 May 2014.
Tampoka ny nahafatesany. Natory, avy nisakafo maraina hono izy dia tao de tsy niverina intsony ny ainy rehefa narary, teo amin'ny tongony, efa ho tapa-taona angamba izay.
Alahelo sy ranomaso no naharenesan'ny maro izany. Indrindra fa ny tany ambanivohitra.
I dadanaivo, anisan'ny Ray amandreny sisa teo amin'ny terak'i Dadabe AMBROISE. Namela kamboty 4 mianadahy ary mananotena iray.
Nitomany i Dada (d'Assise). Tsy mbola hitanay nitomany mafy toy izany izy. Nalahelo loatra ny fony, satria maty ilay zoky lahy, zoky nanavotra tamin'ny sarotra, nanampy raha nisy alahelo. Lasa izy:
- Tsy adinoko ny soa nataonao ahy razoky lahy a! eny fa na dia tsy enonao intsony aza izany teniko izany. Hoy dada teo anoloan'ny vatana mangatsiakan'i dadanaivo. Nifokofoko nitomany izy. Ary tena latsapaka tao am-pony ny alahelo.
Andro nahitanay ny fiovan'i Dadanaivo Bosco koa ny alahady taorian'io. Nisakafo sy niara-niresaka teo izahay ka niaraka taminay teo izy. Nihomehy sy niresaka tsara izy, tsy mamo ary tsy tezitra. Tsy fanaony anefa izany fa ny mifanohitra izany aza no nataony taloha.
Iny alarobia nafatesan'i Dadanaivo Bruno iny koa no nanombohanay sy Sitraka nivarotra mofo akondro. I Nani no nivarotra. saingy tsy lany ilay akondro telo kilao novidianay. 2.000Ar no vola maty. Tsy kivy anefa izahay, fa ny alatsinainy 26 Mai de mbola nivarotra ka lafo avokoa ny entana, akondro 2 kilao no natao ka nahafaty 4.300Ar izahay.
Fotoana naneken'ny fianakaviana hiavana io fotoana io, koa manantena aho fa ho lafatra sy ho fifaliana hatrany no hiainan'ny fianakaviana sy ny fiainan'ny tokatranoko.
Didi Mickael MIARIMANANTSOA.
Didi Mickaël, club isika tanora, Apokalypsy,pasteur mailhol, blog 2012, rantsana Mpandalina.
Ho anao izay mijery ity Blog ity :
Ato no misy ny diariko, ny tora-po, ny nahafinaritra, ny nahaliana ary ny fotoana nanamarika ny fiainako. Mazotoa mamaky ka "Ny mamy atelomy fa ny mangidy aloavy". Misaotra anao.

mardi 27 mai 2014
mardi 28 janvier 2014
Lasa Dada sy Mama!!!
Lasa Dada sy Mama izahay tamin'ny sabotsy 25 Janvier 2014, satria teraka ny zanakay vavy : MIARIMANANTSOA Tsara Mendrika.
Mora kely ny namoahan'ny mamany (sitraka) azy. Faly ery ny ray aman-dreny rehetra.Faly toy izany ihany koa ny fianakaviana sy ireo namana manontolo.
Vavaka ho an'i Mendrika:
Jehovah o!! Tahio ny zanako, arovy amin'ny loza rehetra izy, arovy amin'ny aretina rehetra. Ho zaza mahay anie ianao ry Mendrika, hampiadana an'i dada sy neny, ho zaza tia manao ny asan'i Tompo, hirian'olona fa tsy haniry olona, ho taratra ho an'ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina ary ny firenena.
Andriamanitra anie hitahy ny fiainanao, Izy anie hanandratra anao ho amin'ny avo.
Amen!

Napetrak'i Didi à l'adresse
04:39

dimanche 5 janvier 2014
TRATRY NY TAONA 2014
Miarahaba ny fianakaviana, tapaka sy namana, praifa rehetra nahatratra ity taona vaovao "2014" ity.
Ho ambinina amin'ny zavatra atao rehetra anie, ary ho tanteraka sy ho to ny faniriana rehetra raha sitraky ny Tompo. Ho taona zina, feno fahasambarana, feno fiadanana, feno fitsikiana, feno aravoana.
Aza miala @ fanompoana an'Andriamanitra.
De la part de MIARIMANANTSOA Didi Mickaël & Sitraka.

23:30

Inscription à :
Articles (Atom)