ANTONY:
ilay teny hoe: "MBOLA TSY TARA E". matetika ny olona
(Malagasy) no tsy maika rehefa fantany fa mbola malalaka ny fotoana
ihomanany ka ny fiomanana ara-batana sy fitafy no ataony be dia be.
Variana eo amin'ny fiomanana ara-batana ka lasa hoe "MALAKILAKY FA EFA HO TARA" ka mikoropaka ka ny hiafarany dia tara tokoa.
VOKANY:
rehefa tsy tonga amin'ny ora éxacte dia tsimaintsy tara
izany. Ny fahataranao indray mandeha anefa dia ampy ilazan'ny olona anao
ho tsy maripotoana mihintsy sy tsy azo atokisana ary tsy matotra.
Manaratsy ny ho avinao ny fahatarana. Manova ny lamina
efa vita ihany koa izy, ary tena mahatonga fanenenana mihintsy
indraindray.
VAHA-OLANA:
Araraoty ny ora anananao. Aza mandany andro amin'ny
fikakarakarana vatana loatra! ataovy malaky izany dia ho itanao fa ho
tonga maripotoana sy ho tsara laza amin'ny mpiara-miasa sy ny
mpiara-mianatra aminao ianao!
Hevero ho manan-danja foana ny fotoana ho vonjenao
rehetra fa aza misy atao ambanin-javatra, indrindra ny fotoana amin'ny
namanao na olona tsy akaiky aminao.
Didi MIARIMANANTSOA
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire