Masoandro Fifaliana
Tsy voasoritra mialoha ny
fiainana raha topazana indray mipi-maso. Tsy ampoizina no feno matetika, mifamaofao be ihany ny fiandrasana ny
hoavy. Raha mibanjina ny masoandro ianao, dia mahita hazavana, mahazo afanana.
Io masoandro be mibaliaka io no mitaratra ny volana sy kintana ho ravaky ny
alina. Maizina ny andro fa mazava no dimbiny. Masoandro be lohataona ny andro
iray hahatsapana fa tototry ny hafaliana ao anaty ao. Vao maraina dia
somebiseby ny rahona, mitsoka mora ny rivotra mitady hanapaka ny hazo kanefa
mahery ny tahony ka tsy mahavanona ny loza. Mibaliaka ingahy be fahazavana,
miomakomana ny vorona fa hizaha ny sakafo sahaza, hiriaria hijery ny tanàna.
Indro ny Railovy mibika vao maraina fa hiseo fianakaviana, miandry ny ranon’ando
hitsahatra ka variana mijery izatsy endrika amam-bika kanto. Tsy ambany noho ny
hafa izy, tsy manaiky ho tsikeraina ka alohan’ny ialana ny akany kely dia mila
jerena tsara ny maha mety sy ny tsy mety. Ho aiza mo iry Railovy no maimaika
ery? Tsy ho aiza akory fa mianoka iry masoandro sy ny tara-pahazavany e!
Hamonjy hafanana anaty trano misy mamy tantely sy ronono. Raha mijery
miakavanana dia sakafo mahavoky, miankavia ranom-boakazo mamy, mandroso
hikobana menaka tsara hendy, hiemotra vavahady mitondra mankany amin’ny
fahasambarana. Manomboka ny tafa, mamy ny resaka, resaka inona e? Voavory ny
lafiny avy avaratra sy ny hatsinanana fa hikabary Railovy. Diniky ny samy
tsotra ka tsy misy zava-tsarotra na aloka niserana ny resaka. Tapaka fa
hampaka-bady Railovy. Tsy iza izany fa I Maharavo zanak’I Fifaliana taranaka
Fitiavana e! Hamory vahoaka betsaka tokoa I Railovy ka refotra ny hafaliana,
mamy ny fiainana, masoandro vao maraina ka mahafaly sy mahatretrika.
Miandrasa ry vahoaka fa hifety ny Mpanjaka, ao
antanàna ho ravoravo, ny manodidina hitsinjaka, ny mitazan-davitra hitsiky, ny
akaiky hifaly avanja fa ho avy ny andro mazava indrindra;ny volana hamirapiratra
ary hanjelatra ireo kintana haingon’ny alina.Masoandro fifaliana no mibaiko ny
fiainana.
Didi MIARIMANANTSOA
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire