Didi Mickaël, club isika tanora, Apokalypsy,pasteur mailhol, blog 2012, rantsana Mpandalina.

Ho anao izay mijery ity Blog ity :
Ato no misy ny diariko, ny tora-po, ny nahafinaritra, ny nahaliana ary ny fotoana nanamarika ny fiainako. Mazotoa mamaky ka "Ny mamy atelomy fa ny mangidy aloavy". Misaotra anao.

mardi 28 janvier 2014

Lasa Dada sy Mama!!!

Lasa Dada sy Mama izahay tamin'ny sabotsy 25 Janvier 2014, satria teraka ny zanakay vavy : MIARIMANANTSOA Tsara Mendrika.

Mora kely ny namoahan'ny mamany (sitraka) azy. Faly ery ny ray aman-dreny rehetra.Faly toy izany ihany koa ny fianakaviana sy ireo namana manontolo.

Vavaka ho an'i Mendrika:

Jehovah o!! Tahio ny zanako, arovy amin'ny loza rehetra izy, arovy amin'ny aretina rehetra. Ho zaza mahay anie ianao ry Mendrika, hampiadana an'i dada sy neny, ho zaza tia manao ny asan'i Tompo, hirian'olona fa tsy haniry olona, ho taratra ho an'ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina ary ny firenena.

Andriamanitra anie hitahy ny fiainanao, Izy anie hanandratra anao ho amin'ny avo.
Amen!

1 commentaire:

  1. Arabaina ianareo mivady e! mirary soa hoanareo roa hatrany, i zoky manohana foana e!!

    RépondreSupprimer