Misy zavatra mba tiko anontaniana anao ity:
Rehefa mivavaka aho dia mivavaka ho an'i Madagasikara sy ny mponina ao aminy. Rehefa avy eo maka tenin'Andriamanitra ka sokafako ny baiboly, ny mahalina ahy a de isaky ny mamaky baiboly aho dia tsimaintsy misy resaka momban'ny fanaovana ny FAHAMARINANA foana ao.
Ohatra hoe " Manaova ny marina de aza manao kolikoly". De miverina foana io rehefa mamaky baiboly aho. Ny isaorako an'Andriamanitra aloha, isaky ny mitady anao tsy fahamarinana aho dia misy mapatsiahy ahy ao andohako ao ireo teny ireo.
Rehefa noresahiko tamin'olona izay io dia hoy izay : " Mety handalo an'izany angamba élah atsy ho atsy de ampafatarin'Andriamanitra mialoha mba hitandremana ".
Mety ho izany ve? sa inona koa ny mety ho antony hafa?
Ny fanapaha-kevitro aloha dia Hanao izay hampanjaka ny fahamarinana aho ary hiady amin'ny Kolikoly mba ho tombotsohan'ny tanin-drazako
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire