- Raha ampanatrehinao Azy ny fonao, ary atantinao aminy ny tànanao,Ka misy heloka eo an-tànanao, dia ario lavitra izany,Ary aza avela hisy ratsy hitoetra ao an-dainao; Dia hahazo hanandratra ny tavanao tsy misy tsiny hianao,Koa hijoro tsara ary tsy hatahotra; Fa ho hadinonao ny fahorianao Toy ny rano efa nandalo no hahatsiarovanao azy.Ary hamirapiratra lavitra noho ny mitataovovonana ny andronao;Na dia sendra manjombona aza, dia ho tonga tahaka ny maraina. Hatoky hianao, satria misy fanantenana;Eny, hijery manodidina hianao ka handry tsy amin'ahiahy. Dia ho tafandry hianao, fa tsy hisy hanaitaitra; Ary maro no hila sitraka aminao.
- Raha miaro ny tongotrao amin'ny Sabata ianao
- ka tsy manao izay tianao amin'ny androko masina,
- ary manao ny Sabata hoe Fahafinaretana,
- ary ny nohamasinin'i Jehovah hoe mendrika hohajaina,
- ka manome voninahitra azy*
- ary tsy mandeha amin'ny lalanao,
- na manao izay tianao,
- na miteniteny foana, [Na: Azy]
- Dia hiravoravo amin'i Jehovah ianao,
- ary hasandratro ao amin'ny havoana amin'ny tany ianao,
- sy hofahanako amin'ny lovan'i Jakoba rainao;
- Fa ny vavan'i Jehovah no efa niteny.
- (Isaia 58 : 13-14)
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire