Didi Mickaël, club isika tanora, Apokalypsy,pasteur mailhol, blog 2012, rantsana Mpandalina.

Ho anao izay mijery ity Blog ity :
Ato no misy ny diariko, ny tora-po, ny nahafinaritra, ny nahaliana ary ny fotoana nanamarika ny fiainako. Mazotoa mamaky ka "Ny mamy atelomy fa ny mangidy aloavy". Misaotra anao.

jeudi 18 avril 2013

Olan'ny Tanora ve??

Toa zary lasa olan'ny tanora ankehitriny ny Politika. Tsy tia politika ny taranaka ankehitriny, fa maninona re? Maloto, hono, izy io? Ny tena fitiava-tanindrazana anefa dia miainga amin'ny fanaovana azy.

      Inona no anton'ireo olana mitranga eto amin'ny tanàna e??
Tsy mahay politika amin'ny fahamarinana sy amin'ny rariny ny mpanao azy. Tsy mahay ve ny Malagasy?
Ny ankabetshan'ny malagasy dia zara raha mba nahita fianarana. Ny 2% irery no mba tafakatra eny amin'ny fianarana ambaratonga ambony. Ny ankabetsahan'ny mpanao politika dia ireo mpihavana na ireo nasandratry ny vintana, hevitra nivoaka tamin'ny débat nataon'ny T-GFFM IIè arrondissement io.

     Inona ary ny vaha olana?
Mila homena formation ny tanora, mila mahay ny tantaram-pireneny, mila manana fahaizana mitantana, mila manana toe-tsaina tena tia tanindrazana, mila mahay mitsinjo vahoaka ary mila  mianatra tsara isika.

Mila vahana aingana ny olana eto Madagasikara ka miandry ahy sy ianao izany.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire