Didi Mickaël, club isika tanora, Apokalypsy,pasteur mailhol, blog 2012, rantsana Mpandalina.

Ho anao izay mijery ity Blog ity :
Ato no misy ny diariko, ny tora-po, ny nahafinaritra, ny nahaliana ary ny fotoana nanamarika ny fiainako. Mazotoa mamaky ka "Ny mamy atelomy fa ny mangidy aloavy". Misaotra anao.

vendredi 28 décembre 2012

Blagy Kely e!

                                              TAO AM-PIANARANA


Lesona momban'ny Biby, Legioma ary Voank'azo no lesona vita androny:

-Mpampianatra (Mp): mianara lesona tsara rakizy fa hanadina aho rahapitso ary misy naoty io.

  Nony tonga tany antrano i Naivo dia nahaliana azy ny momban'ny parasy satria maromaro parasy izay ao antrano ao ka dia rafotra ny fianarana ny momban'ny "Parasy". Tsy mahay hafa tsy ny momban'ny parasy i Naivo.

  Nony ampitso tao ampianarana:

-Mp : Naivo! lesona momban'ny omby
       .......tsy mahay hafatsy Parasy moa i Naivo ka hoy izy.......
-Naivo : Ny omby dia biby misy tandroka, manana tongotra efatra, biby misy volony ka misy Parasy, ary ny parasy dia misy tongotra maromaro, rà no sakafon'ny parasy, mitondra aretina koa ny parasy...
-Mp : Okizay ry Naivo a! nga Parasy no asina tantarain'i Naivo? hovaina TRONDRO indray ary e! aingana Naivo..
-Naivo : Ny trondro dia biby anaty rano, misy kirany, ary tsy misy volony ny trondro fa raha misy volony izy dia misy Parasy ka ny parasy dia manana tongotra maromaro, rà no sakafon'ny Parasy...hihihihih

-Mp: ovaina indray, mitanisà karazana voankazo 5 karazany i Naivo.
  ...tsy naka sarotra i Naivo namaly hoe...

              .....Akondro telo de Poma roa madama....


Miarimanantsoa Didi Mickael


Cliquez pour 
visiter 123madagascar, annuaire et moteur de recherché dédié à 
Madagascar

mercredi 26 décembre 2012

TAONA 2012

      Mahafinaritra ny taona 2012! Nahitana ny fahombiazana sy ny tsy fetezana! tamin'ity 2012 ity no nolazaina fa fara-andro nefa tsy nisy izany.

    Dimy andro androany sisa dia hivalona ny taona 2012 ary hiposaka ny taona vaovao 2013. Io taona vao hiposaka io no taona tena hanana ny tantarany indrindra , satria, taona voalaza fa hahatanterahan'ny faminanian'i Pasteur MAILHOL, hitondra ny firenena Malagasy.

      Nahitako zavatra maro ihany ko ity taona hivalona ity, toy ny: Fandraisana andraikitra teo anivon'ny tanora Apokalypsy , Fidirana ho mpampandroso an'i Madagasikara ( GFFM) , sy ny maro hafa. Mahatsiaro ho manana andraikitra lehibe aho ankehitriny, na eo amin'ny fiangonana na eo amin'ny firenena.

     Andriamanitra no tompon'ny ho avy! Izy no mpandahtra.
 Hany heriko dia ny manaraka ny sitrapony: 

                                                  "MANAO NY FAHAMARINANA"



MIARIMANANTSOA Didi Mickaël

lundi 26 novembre 2012

Anatra ho ahy iny! Ho anao koa?

 Indray alina!

nijery film vahiny aho indray alina izay! Film tsy gidragidra an? Film ahitana ny fiainana andavan'andro izy io!
Ny tena nanaitra ahy sy nananatra ahy hoy ianao? araho ny tantara:

....Raim-pianakaviana iray ity atao hoe"john" ity; manan-janaka 2 mianadahy. Tia ny vadiny sy ireo zanany izy ary tena tia mivavaka ihany koa!....
....indray andro dia voaroaka tamin'ny asany izy...nony tonga tao antrano:
-Neny o!
*ahoana cheri?
-voaroaka tamin'ny asako aho!
*aaaah! De aona izany? Inona no hohanina? Ny écollagi'akizy?
 (mandehana aloha ry izy mianadahy mivoaka milalao fa mbola hiresaka zah sy dada a!)
-Tsy hitako fa zay ny sitrapon'andriamanitra e!.......mivavaka izao no hany itako vaha olana.

...nahita asa tselika teny ihany izy saingy tsy mahavita e!

....nony taty ahoriana dia nahita asa izy; mpiasa tamin'ny orinasa iray mpanodia akora atao anaty baoritra.
...taty aoriana dia nampanantsoin'ny mpampiçasa azy izy:

-mila "chef d'équipe aho ry john, ka ice no hitako fa mavitrika tsara sy mahavita ato.
*misoatra tompoko!
-fa izao an! miara miasa isika, rehefa mandray ny isan'ny ireo baoritra misy ny akora ianao, raha hoatra ka 17 ny baoritra dia ahenanao 16 ny ao anaty livre ka zaraitsika ny baoritra iray... ahoana? raikitra a?
*aleo aloha andinika patron! omeo 3 andro aho!
-ok ary. Raha tsy manaiky ice dia ho ita eo ny tohiny!

....nony tonga tany antrano dia nitanatara tamim-badiny izy ka namporisika azy fatratra ny vadiny ny mba hanekeny fa mafy izany tsy misy asa izany! Kanefa resy lahatra ihany izy mivady fa tsy FAHAMARINANA izany ka aleo hajanona any!
.....nifanaraka zareo fa antsoina i ramatoa vatan'ny vao vita ny resaka niarahana tamin'i Patron.

Afaka telo andro: (tao amin'ny biraon'i Patron)
-Ahoana ihany ary ilay resatsika iry ry john?
*Tiko tompoko ny asako, tiako ny miasa ato aminao! Olombelona aho, mila mihinana sy mitafy, tsara ihany koa ny manam-bola saingy........Tia an'Andriamanitra aho,tia fahamarinana ihany koa. Tsy fahamarinana anefa izao ampanaovinao ahy izao. Aloe angamba aho tompoko ho mpiasa tsotra ihany raha mba sitrakao?
-Patronan'ice ne zah e? de sahan'ice ve ny mandaha ny fiharahamiasa takiko an'ice?
*mifona aho tompoko fa Tsy tian'Andriamanitra izany manao ny tsy MARINA izany!

....Nifampijery ilay Patron sy ilay Adjoint ka hoy ilay patron sady nanolon-tanàna an'i john:

- Harabaina ice fa tafita tamin'ny fitsapana, fitsapana an'ice iny ka manomboka izao dia homena an'ice ny toerana ary matoky an'ice aho!Tena olo-marina tokoa ice!
aah? misaotra tompoko.

...Faly ery i John andeha hiantso an-telefaonina ny vadiny:
-allô cheri?
*ny vadiny:  Eny ry malalako a! tsy maninona e! Mahita asa vaovao ho anao idray andriamanitra fa mahereza aki  a?
-enoy aloha aho e!
*Eny oa? mahereza fa izay ny sitrapon'Andriamanitra (sady mitomany izy)
-Noraisiny ane izaho cheri e? voaray oa zah fa fitsapana iny
aaaaah? we eeeee! Nivaly ihany ny vavaka! misaotra anao aho Andriamanitra!
.....de nilamina ny fiaina'izy efatra mianaka noho ny FAHAMARINANY....

Lesona azo raisina: Raha mbola azo atao na amin'ny sarotra indrindra sy miankina aman'aina aza dia ataovy ny FAHAMARINANA. Manaova ny marina fa misy valiny foana izany!

Fanapaha-kevitro: Tapaka ny hevitro fa hanao ny FAHAMARINANA aho naizanaiza, n'inoninona hataoko, raha mbola tratran'ny heriko sy ny saiko. Ary Hatahotra an'Andriamanitra mandrakariva aho!


MIARIMANANTSOA Didi Mickaël

lundi 5 novembre 2012

Aingam-panahy ho an'ny tanidrazako

                             Ho an'ny Tanindrazako

                                                       (sy ireo mponina ao)


Ry tanindrazanay malala
ry Madagasikara soa
ny taranakay any afara
tena mila anao tokoa


                  Ny fitiavanay anao tsy miala
                  fa ho anao doria tokoa
                  saingy indrisy hiara-mahalala
                  marobe reo tsy mahasoa

                                                                                                 Tahionao ry zanahary
ity tanindrazanay ity
jereo fa tena marary
mila Anao zahay ety


                   Hiadana sy ho finaritra
                   ho sambatra tokoa izahay
                   mba jereo fa miaharitra
                   miandrandra anao ny taninay


Mba tsinjovy ireo mahantra
fa mijaly izy ireny
mba diovy ireo maratra
mba sitrano ireo fery



                   Jehovah hiady ho anao
                   mijery hiany de mangina
                   ireo asany tanterao
                   valim-pitia tsy hay valiana


Katsaho aloa ny fanjakany
de manaova fahamarinana
Fa amin'izany andro izany
tsy mba hisy zara-vilana


                                                     MIARIMANANTSOA Didi Mickaël
                   
                  

mercredi 24 octobre 2012

Teny mamy



  • Raha ampanatrehinao Azy ny fonao, ary atantinao aminy ny tànanao,Ka misy heloka eo an-tànanao, dia ario lavitra izany,Ary aza avela hisy ratsy hitoetra ao an-dainao; Dia hahazo hanandratra ny tavanao tsy misy tsiny hianao,Koa hijoro tsara ary tsy hatahotra; Fa ho hadinonao ny fahorianao Toy ny rano efa nandalo no hahatsiarovanao azy.Ary hamirapiratra lavitra noho ny mitataovovonana ny andronao;Na dia sendra manjombona aza, dia ho tonga tahaka ny maraina. Hatoky hianao, satria misy fanantenana;Eny, hijery manodidina hianao ka handry tsy amin'ahiahy. Dia ho tafandry hianao, fa tsy hisy hanaitaitra; Ary maro no hila sitraka aminao. 
          (Joba 11 : 13-17)


  • Raha miaro ny tongotrao amin'ny Sabata ianao
  •  ka tsy manao izay tianao amin'ny androko masina,
  •  ary manao ny Sabata hoe Fahafinaretana,
  •  ary ny nohamasinin'i Jehovah hoe mendrika hohajaina,
  •  ka manome voninahitra azy*
  •  ary tsy mandeha amin'ny lalanao,
  •  na manao izay tianao,
  •  na miteniteny foana, [Na: Azy] 
  • Dia hiravoravo amin'i Jehovah ianao,
  •  ary hasandratro ao amin'ny havoana amin'ny tany ianao,
  •  sy hofahanako amin'ny lovan'i Jakoba rainao;
  •  Fa ny vavan'i Jehovah no efa niteny. 
  • (Isaia 58 : 13-14)

mercredi 10 octobre 2012

Forum isika tanora

              Efa misy indray ny FORUM ISIKA TANORA, natao ho fifandraisana sy ho fifanakalozan-kevitra. Aza adino koa fa misy ny BLOG ISIKA TANORA.
           
              Mifandraisa amin'ny namanao ary mifanakaloza hevitra! Toroy ireo soa azonao ny namanao amin'ny alalan'ireo forum sy blog ireo!

              Blog :               http://isikatanora.wordpress.com         (cliquer les liens pour avoir les informations)
              Forum :            http://isika.discutbb.com





lundi 8 octobre 2012

Nisy "la neige" Tany Sahara

                                        TSY MAMPINO NEFA MARINA!

                     Samy mahita ny fiovan'ny toe-trandro daholo isika amin'izao fotoana. Fa ny tena nahavariana sy tsy nam-pino ry zareo a,dia nisy "neige" tany Sahara.Tranga tena hafa izy ity. Sahara ilay toerana karakaina indrindra manera-tany, izay mahatratra 50°c ny hafanana no nilatsahan'ny "La neige" tany Béchard.
                 Manaporofo ny fivadian'ny 2 pôles (Nord et sud) anie hono no mahatonga izany e?




Devenir riche?

Je vous donne quelque conseils  à suivre pour devenir riche: ( te hanana ny apy ve ianao? Araho ireto toro-hevitra vitsivitsy ireto)

        1- Il faut avoir des rêves pour les réaliser. Tout les grands succès commencent par un rêve, une vision de futur (Manaova tsinjo lavitra, tsara ny manonofy mba hanantanterahana azy, ny fahombiazana lehibe dia miatomboka amin'ny nofinofy sy ny fiheritreretana ny ho avy )

        2- Ne dépensez pas plus que vous gangne  (Aza mandany mihoatry ny vola azonao)

        3- Minimisez vous votre dépense (Atovy izay Hahakely ny vola laninao )

        4- N'empruntez jamais pour acheter un bien dont la valeur se déprecie (Aza mihindram-bola mba hividianana zavatra tsy dia ilaina akory na mora lanilany foana)

        5- Augmentez et multipliez tout votre sources de revenus (Ampitomboy araka izay tratra ny fidiram-bolanao)

        6- N'envisagez jamais l'échec ( Aza mba misaintsina tsy fahombiazana izany)

        7- Ne laissez jamais Jésus Loin de vous ( Aza manalavitra an'i JESOSY )



                                                                                       De:   Didi Mickël MIARIMANANTSOA

vendredi 5 octobre 2012

Tena marina izany

                         Tena marina fa azo atao fanampin'ny solika ny rano.Azo atao ihany ny mampifangaro ny rano sy ny solika mba atao solona solika fa mbola sarotra kokoa, fa ny tena mora sy takatry ny saina ary vitan'ny rehetra ny mamorona azy dia ny : WET CEL na GENERATEUR HHO .
                         Tsotra sady mahomby no manatsara ny motera ary mampitombo ny tanjany koa io wet cell io.

Afaka bac i zandry

                           Nivaly tamin'ny Asabotsy 29 septenmbre lasa teo ny Bac teto antananarivo.
I zandry (Zinho) moa tao anatin'ireo nitaintaina fatratra niandry iny valiny iny.
                         Tamin'io sabotsy io, vao maraina, dia niteny aho hoe mivaly amin'ny Telma ny valina bac!
Nalefan'i zandry ny numéro d'inscriptionany de noraisiko ny telefonina fa tsy te hijery hono izy. kanjo, vao nahita hoe "felicitation" ah tonga de nioraka be. De faly daholo ny tao antrano, ren'ireo manodidina ny hafaliana. Mention assez bien no toin'ilay felicitation.
                         Falibe ah satry afaka bac i zandry!

                         Felicitation ry zandry de tongava amin'ny tanjona irina de tongava koa amin'ny avo indrindra!

Inona no antony?

                                          Misy zavatra mba tiko anontaniana anao ity:

            Rehefa mivavaka aho dia mivavaka ho an'i Madagasikara sy ny mponina ao aminy. Rehefa avy eo maka tenin'Andriamanitra ka sokafako ny baiboly, ny mahalina ahy a de isaky ny mamaky baiboly aho dia tsimaintsy misy resaka momban'ny fanaovana ny FAHAMARINANA foana ao.
Ohatra hoe " Manaova ny marina de aza manao kolikoly". De miverina foana io rehefa mamaky baiboly aho. Ny isaorako an'Andriamanitra aloha, isaky ny mitady anao tsy fahamarinana aho dia misy mapatsiahy ahy ao andohako ao ireo teny ireo.
            Rehefa noresahiko tamin'olona izay io dia hoy izay : " Mety handalo an'izany angamba élah atsy ho atsy de ampafatarin'Andriamanitra mialoha mba hitandremana ".

                                    Mety ho izany ve? sa inona koa ny mety ho antony hafa?

 Ny fanapaha-kevitro aloha dia Hanao izay hampanjaka ny fahamarinana aho ary hiady amin'ny Kolikoly mba ho tombotsohan'ny tanin-drazako


lundi 24 septembre 2012

JJA 2012

Vita indray iny ny JJA 2012. Tena tsara ny ambiance lo e! sady nahazo ambora daholo ireo ekipa nandresy rehetra. santionany tamin'ireo lalao ireto:




Ireto indray ny mpanao choregraphie na DI-mirindra:

toy izao indray rehefa misakafo:













                                                                                                                                                                       

vendredi 21 septembre 2012

AZA VARINA ! !

 jereo de diniho ireto sary ireto:
              -HORUS & ISIS : andriamanitra masoandro notopoin'ireo mpanompo sampy taloha
              -JESOA & MARIA : sary natao ho fahatsiarovana ka zary lasa hamasinina

 NY MAHAGAGA DIA MITOVY SA NAMPITOVIANA NY SARIN'IZY IREO ?? :




 

Coincidence sa tena nampitovizina? Efa lasa Filamatra mantsy tato ho ato ny COINCIDENCE

mercredi 5 septembre 2012













J . J . A   2012





23 Septembre à ANALAMANGA PARC

  Ambo-pihaonan'ireo tanora Apokalypsy . hetsika fanatanjaha-tena ahitana
            -Basket            ( grand terrain )
            -Foot               ( jeu à 7 )
            -Volley            ( jeu à 6 )
            -Pétanque        ( triplettes )

karakarain'ny Club ISIKA TANORA sy ny Rantsana OLIVA




                             TONGAVA MARO !

mercredi 22 août 2012

Mpikarakara MIDER'AZY VITA BACC

Iray volana lasa izay no nanapak'evitra ireo mpikarakara fa ho tanterahina indray ny MIDER'AZY VITA BACC @ty taona 2012 ity. Olona 10 no mandrafitra iroe mpikarakara ireo ary marobe koa ireo mpiramiasa, tapaka tamin'izany fa eny @ DOME RTA no atao ny hetsika. Enjana ny fandaminana fa antomotra loatra ny fotoana ka noejikenjeanabe ny rahaha rehetra. @zao fotoana izao dia herin'andro mahery kely sisa dia higadona ilay fotoana 02 SEPTEMBRE 2012 . Mivory matetika ireo mpikarakara ho fandaminana. Faly izy ireo satria mandeha tsara aloha ny raharaha atreto.
Tsy ilaozan'ny olana moa ireny fikarakarana ireny ka mba anisan'izany koa ireto mpikarakara , ho andry zareo dia ny vola no tena olana,satria koa  moa krizy ny andro. Na izany az tsy kivy zareo fa manankina hatrany ny fanomanana @Andriamanitra. Rehefa mifarana moa ny fivorina de tsy mba hadino mihintsy ny manambatra ny tanana ka manao hoe "1200" sady ampiakarina daholo ny tanana. 1200 dia isan'ny olona ho tonga @io fotoana io, io izany no tanjona.

      Teny kely: Mahereza ry mpikarakara fa tsy ho foana tsy akory ny fikelezanareo aina. Mazôto tokoa ianareo sady manao @fo de ho itanareo ny ho valin'izany, fa Andriamanitra tsy mba tsy marina!

Zah sy Andriamanitro

 Misaotra anao aho Andriamanitra fa tsy nampoiziko ary tsy ho ampoiziko ny fagagana asehonao amiko, mifono misitery ny fiainana fa nasehonao ahy izany.
         Andriamanitra o!sambatra ah miaraka aminao! marina ne zany e! Atreto aloha de tena itako ny fitarihanao ahy, tsapako fa tena mifankatibe tsika. zah ndray lo de tsy iala aminao zany e!Fa zao oa ry Andriamanitra misy faniriko goavana izay, le efa noteneniko anao iny, mino ah fa ho tanterahanao iny de hosambatra ny mahantra sy ny malahelo izay mbola tsy nisy mpijery hatreto.Mampalaeolo ne reny ry dada e! Fa enao lo tena be fitiavana e! Tsy avelanao halaelo fona reny fa zao zao homenao vahaolana zareo afaka fotoana vitsy.Mafinaritra mintsy oa enao!
           Tsy afaka ato antsaiko mintsy le teninao iny < Joba11 : 13-19

     Voninahitra ho anao rery ry Andriamanitra Mpiharo, Mpanampy, Mpanolotsaina ahy!!!!!!!!!

vendredi 17 août 2012

Apolalypsy.Pasteur MAILHOL

source: apocalypse-mada.org/
Rehefa miresaka Apokalypsy dia tsimaintsy ao Pasteur Mailhol sy ny faminaniany. Zary lasa resabe ankehitriny io faminaniana io, satria, misafotofoto be ihany ny toe-draharaha politika eto Madagasikara. Angamba saika efa ny akamaroan'ny olona eto madagasikara dia efa tapitra mahalala io faminaniana io.Namoronana ny antoko GFFM ary i pasteur mba hitsenana ny faminaniana amin'ny fomba ara-demokratika sy ara-dalàna.

Vita!

Nahavita ny blogko aho androany 17 Août 2012 de faly aho




Blog